4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia somongamonga - MAMI Bastà

                            FITIA SOMONGAMONGA



Androany no fotoana nomeko anao , ilazako ny momba ahy

Ny saiko efa vonona hitantara an’izany fa ny vavako no mbola tsy sahy

Matahotra aho mantsy fa sao dia hanenenako ny ilazako ny amiko , aminao

Kanefa tapa-kevitra aho fa androany ihany dia efa vonona hilaza an’izany

Tsoriko aminao aloha fa sangy fotsiny ihany no nanolorako fitia taminao

Hay noraisinao ho tena izy , ilay sangiko iny ka nifankatia isika hatramin’izao

Lazaiko anao anefa f’efa nisy olon-kafa notiaviko talohanao

Ka ny tsaratsara angamba dia faranana amin’izay ilay fitiavanao nataoko kilalao

        Dia ny hirahirako hirao , raha manembonembona ianao

        F’ilay fitiavako avelao , fa fitia saika hamitaka anao

        Dia ny hirahirako henoy , raha mahatsiarotsiaro ianao

        F’ilay fitiavako adinoy , fa mety tsy hahasambatra anao

Ianao aloha dia olona tiako tokoa , olon-tiako tena tiako tokoa

Saingy ilay talohanao no tsy maintsy tiako kokoa , satria izy no efa tiako taloha

Izany akory tsy manambany ilay fitiavantsika vao nitsiry , dia tonga dia namelana

Fitia safo-morona , kanefa tsy hay tohizana sao tratran’ilay tena tompon-toerana

Omaly alina tontolo aho tsy nahita tory , nieritreritra ny tokony hatao

Hotohizako ve sa hofaranako amin’izay ny fangalarako fitia taminao?

Na mavesatra aok’izany ny adin-tsaiko ny alin’io , ka niteraka alahelo tena mafy

Aleo faranana amin’izay ilay fitiavantsika roa , fa raha tohizana manjary mampirafy

         Dia ny hirahirako .....................

Angamba ianao tsy hanome tsiny amin’izany na hiantso tody , hiantso todim-pitia

Satria fitia tsy raikitra tsy haharatsy fihavanana ary tokony tsy hatao hankahia

Nanenenako lahy ny nanolotra fitia , tsy tena izy fa fitia somongamonga

Fitia tsy nampoizina fa sendra nifanena , vao nantsoiko dia avy koa dia tonga

Raha amiko aloha raha mbola mampirafy roa , na miampy iray aza mbola antonona

Saingy ny ao amin’ny baiboly no manakana an’izany sady olana amin’ny fiaraha-monina

Ka teny kely tsotra ihany no lazaiko anao , avy eo dia hofaranana ny dia

Efa nisy olon-tiako talohakelinao , ka any an-kafa re manorina fitia

             Dia ny hirahirako.....................



                      MAMI Bastà

Partager fitia somongamonga

Commenter fitia somongamonga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MAMI Bastà